Politique

Papa Soule Tsy mitovy ny hafainganam-pandehan’ny filoha sy ny governemanta


  • Alakamisy 15 Janoary 2015

Rariny raha asiana fanovana ny governemanta ankehitriny, hoy i Papa Soulé filohan’ny fikambanana Zanak’avaratra tao anatin’ny fanamarihana ny volana rabi-a el awal izay volana nahaterahan’i Mahomet na Mohammad (saw) teny 67 ha ny alahady teo

Tena tokony hovana, hoy izy, satria tsy mitovy mihitsy ny hafainganam-pandehan’ny asa ataon’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ny governemanta tarihan’ny praiminisitra Kolo Roger. Raha efa tafakatra 100 km/h ny an’iry voalohany dia mbola any amin’ny 75 km/h ary ny an’ireto farany. Tena andraikitry ny filoha Hery Rajaonarimampianina tanteraka anefa ny hanao na tsy hanao izany fanovana izany. Tsy misy afa-tsy ny fampihavanam-pirenena tariahan’ny filoha Rajaonarimampianina, hoy izy, no hampandroso marina ity firenena Malagasy ity. Manantena ny tenako fa izy dia mpino Kristianina ary izy 4 mianaka efa nitondra teo aloha dia samy matohotra an’Andriamanitra avokoa ka mino izahay fa ho tafita  ny fampihavanam-pirenena fa tena mampalahelo ny fahorian’ny vahoaka Malagasy mitoetra eo ambonin’ny harena natoraly ananany. Manameloka ny asa ratsin’ireo tsy mataho-tody namono mpanao gazety maro tany Frantsa ny Zanak’Avaratra hoy i Papa Soule.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT