Miantso ny amin’ny tokony hirosoana hatrany amin’ny fanohizana ny fampihavanana ny filohan’ny fikambanan’ny Zanak’Avaratra Papa Soulé. Tsy misy mahazo tombontsoa amin’ny fambolena ady sy korontana eto amin’ny firenena, hoy hatrany
izy fa aleo manao soroka miara-milanja sy tongotra miara-mamindra hahafahana manatanteraka izany. Ankoatra izay dia nanamafy ihany koa i Papa Soulé fa isika mihavana ihany no hahafahana mampandroso ny firenena. Nandritra ny firariantsoa sy ny fifampiarahabana noho ny fahatongavan’ny fetin’ny Asaramanitra 2015 izay notanterahina tetsy amin’ny Lyceé Moderne Ampefiloha no nanambarany izany ny sabotsy lasa teo. Ankoatra izay moa dia nambarany fa tena ilaina ny fisian’ny hevitra tsy mitovy hahafahana mampandroso ny firenena. Mikasika ny antoko HVM misy azy ireo manokana dia nambaran’i Papa Soulé fa vonona ny hiatrika ny fifidianana izy ireo na dia misy milaza aza fa tsy manana « base » ny antoko misy azy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.