Politique

Paositra Malagasy Nanokatra ny taom-pilalaovana 2018


  • Alatsinainy 20 Aogositra 2018

Nosokafana ofisialy teny amin’ny kianja Akamasoa Ambohimahitsy tamin’ny sabotsy 18 aogositra 2018 ny taom-pilalaovana 2018 ho an’ny sehatra fanatanjahantena eo anivon’ny Paoma « Paositra Malagasy » Antananarivo.

 

 Hoentina indrindra hanamafisana ny fiombonan’antoka amin’ny asa sy ho fitaizana ny mpiasa no fototry ny hetsika. Taranja 5 no voafaritra hifaninanana dia ny baolina kitra, Volley-ball, basikety,  Atletisma ary tennis ambony latabatra .Nisolontena ny ministra Maharante Jean de Dieu tamin’io fotoam-panokafana io ny sekretera jeneralin’ny MPTDN, Briand Andrianirina izay mpilalaon’ny ASPTT Sandrandahy tamin’ny 1990-91 ka nilaza fa hitarina ho lalao nasional ity hetsika ity amin’ny taona ho avy 2019 fa tsy hatokana hoan’ny mpiasa eto Antananarivo fotsiny. Nanolotra 3 tapitrisa ariary hikarakarana an’ity fifaninana ity avy amin’ny anaran’ny ministra Maharante Jean de Dieu ny lehilahy tamin’izany .


Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT