Tsy ny praiminisitra ihany fa ireo izay rehetra heverin’ny administratera sivily, Paolo Raholinarivo, ho mpanenjika ny hetsiky ny firaisankinan’ireo kandida miisa 26 dia samy nomeny ny hafatra avokoa.
Tia tanindrazana ianareo, hoy izy, ary nitolona tamin’ny volana aprily mba hisian’ny tany tan-dalàna sy fifidianana mangarahara ka noho izany dia aza atao ho vorondolo ny mitolona ho amin’izany ankehitriny fa ianareo voromanga. Manafatra manokana ny praiminisitra, Ntsay Christian, aho, hoy ny tenany. Aza alaina Baraka izahay administratera sivily sy mpahay lalàna. Tsy marina ny filazana fa ambony noho ny lalàmpanorenana, hoy izy, ny lalàna iraisampirenena. Ny lalampanorenana no ambony indrindra. Lalàna fehizoro na “loi organique” avy eo. Izay vao izany lalàna na fifanekena iraisampirenena izany. Iny anao iny aza, hoy ny tenany, mbola lalàna rejionaly satria sata afrikanina ka aza manila baraka anay.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.