Politique

Paolo Raholinarivo « Ahiana ny hisian’ny korontana aorian’ny fifidianana »


  • Sabotsy 25 Aogositra 2018

Tandindonin-doza ny firenentsika, hoy Raholinarivo Solonavalona Paolo Emilio, talen’ny fampielezan-kevitry ny kandida pastera Mailhol.

Ahiana ny mety hisian’ny korontana eto amin’ny firenena aorian’ny fifidianana fihodinana voalohany noho ny paikady maloton’ny kandida Andry Nirina Rajoelina. Mety tsy fantatry ny olona fa tsy ny filoha  Hery Rajaonarimampianina intsony no mitondra ny firenena ankehitriny fa ny antoko MAPAR. Ity farany no nanolotra ny praiminisitra lehiben’ny governemanta ka efa any amin’izy ireo avokoa ny baolina. Anisan’ireny ny fampihodinana ny raharaham-panjakana izay notsindriany manokana fa ny ampahany sisa no eo am-pelatanan’ny filoha ankehitriny sy ny olon’ny antoko Tiako I Madagasikara  izay ao anaty governemanta. Ketriky ny antoko MAPAR sy ny kandidany  ny hibata ny fandresena ao anatin’ny fihodinana voalohany, hoy hatrany Atoa Paolo amin’ny salan’isa 50 % mahery. Tafiditra ao ny fanambazana olona amin’ny fomba maro samihafa. Tsy hisy hanaiky anefa ny olona satria tsy mitombina raha kandida iray amin’ireo 36 no hibata ny fandresena amin’ny fihodinana voalohany ary vao mainka tsy hanaiky ny olona raha ny kandida Andry Rajoelina ihany koa no mbola hibata azy. Mila mailo isika rehetra. Notsindriany manokana  moa ho an’ireo kandida sasany variana mijery ny filoha Hery Rajaonarimampianina sy ny antokony fa tsy any intsony no olana fa any amin’ny filohan’ny tetezamita teo aloha sy ny forongony.

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT