Politique

Paolo Emilio Raholinarivo « Tsy vitan’ny MAPAR sy ny TGV irery ny hitondra an’i Madagasikara »


  • Alakamisy 10 Janoary 2019

Maro be ny manampahaizana sy ny be traikefa, indrindra ny teknisianina any anatin’ireny antoko politika tsy mitovy firehan-kevitra ireny, hoy i Paolo Emilio Raholinarivo.

 

 

 

 Tsy azo tsinontsinoavina ny antoko lehibe tahaka ny TIM sy ny  HVM, hoy izy. Tena tsy maintsy tanterahina ilay tenin’ny filoham-pirenena vaovao nilaza hoe “hiasa am-pahamarinana ho an’ny vahoaka Malagasy rehetra” ka ilana tana-maro. Tsy anavahana ny fampandrosoana ara-toekarena ka tokony haka ireo mahay sy mahavita azy, indrindra ireo olo-marina voasivana ny filoham-pirenena vaovao. Tsy fotoanan’ny ady sy ny fifankahalana intsony izao fa samy mandray ny tandrify azy ny rehetra ary  tsy tokony hisy mihitsy  ny fanilihana fa fifanomezan-tanana  no tsy maintsy atao mba ho tonga eny am-baravaran’ny tsirairay ny fampandrosoana. Nanamafy ihany koa ity Administratera sivily ity fa tokony hisy ny fiambenana ny mpiasam-panjakana any amin’ny distrika lavitra rehetra any amin’izao fiovan’ny fitondrana izao. Tsy hahatafita an’i Madagasikara mihitsy ny kolikoly misy eny anivon’ny fitsarana, ny mpitandro ny filaminana ary ny solontenam-panjakana tahaka ny lehiben’ny distrika sy ny delege any. Maro, hoy izy ireo mpanao hosoka ka miteraka tsy filaminana sy tsy fahombiazana ary tena mampiroborobo ny asan-dahalo. Ireo  mpiasam-panjakana izay manao dahalo ambony latabatra ireo dia ilàna andraisana andraikitra haingana. Raha any amin’ny faritra niaviany manokana any Betroka dia nilaza izy fa tokony hohamafisina ny firaisankinan’ny ray aman-dreny sy ny mpitandro ny filaminana ary ny fokonolona. Ilaina ny fanafoanana ny kolikoly ao amin’ny fitsarana ao satria izany ihany no anton’ny fangalaran’omby izay miteraka ny tsy fandriampahalemana. Tsy mampaninona, hoy izy ny fampitomboana ny karaman’ny mpitsara sy ny mpitandro ny filaminana ary ny fanomezana azy ireo  fitaovana manara-penitra fa izay tratra manao kolikoly amin’ireo kosa dia tokony hanefa sy handray ny sazy sahaza azy.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT