Politique

Paipaika amin’ny fifidianana Hampanaovina ketrika maloto ireo ben’ny tanàna…


  • Alarobia 08 Aogositra 2018

Ataon’ny mpanao politika fitaovana amin’ny propagandy sy ny fifidianana indray ireo ben’ny tanàna.

Terena hiditra amin’ny fifanandrinana tsotra izao hilanja ny lokon’ny antokony mba handresena amin’ny fifidianana, ka dia hafoy hatreo aloha ny maha solontenam-bahoaka azy satria ny rehetra na nifidy na tsy nifidy azy dia eo ambany fahefany, saingy ho ambasadaoron’ny antokony izany izy manomboka izao. Hanao izay farahery handresy lahatra ny vahoakany hampandresena ny kandidan’ny antokony. Milaza fa manana ben’ny tanàna sy olom-boafidy maro manohana azy ireo mantsy ny antoko politika, raha tsy hilaza afa tsy ny filohan’ny HVM teo aloha Rivo Rakotovao tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny 27 jolay teo. Io ilay anisan’ny olana amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny resaka antoko satria hampiasaina ny fahefam-panjakana ho amin’ny tombontsoa politika. Tsy misy mihitsy ben’ny tanànan’ny HVM mihitsy any Toliara na aza any tamin’ny alalan’ny antokony aza ilay olom-boafidy. Ekena fa tsy misy lalàna tena voasoratra mazava, saingy mety ho fototry ny teritery samihafa amin’ny fifidianana io na koa hiteraka fanaparam-pahefana amin’ny endriny maro ataon’ireny olom-boafidy ireny, izay mety hampitsimbadika ny voka-pifidianana. Fomba fiady politika io, saingy mety hibaribary ny fampiasana fahefam-panjakana sy ny teritery samihafa satria ny Lehiben’ny faritra aza moa izao efa lasa mpandrindram-paritry ny antoko HVM.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT