Politique

OVEC Toamasina Renivohitra Tsy mbola naharay antontan-taratasin’ireo kandida


  • Alatsinainy 11 Mey 2015

Ny zoma ho avy izao no hifarana ny farafisoratana anarana ho an’ireo kandida hirotsaka hofidiana Ben’ny tanŕna sy mpanolotsaina eo anivon’ny Kaominina. Hatramin’ny omaly aloha dia tsy mbola nisy kandida na iray aza tonga nanatitra ny antontan-taratasiny teo anivon’ny birao manokana fanamarinana ny ho fametrahana ny filatsahan-kofidiana (OVEC

 

) Toamasina renivohitra. Raha ny fantatra anefa maromaro ireo efa miomana ny amin’izany na antoko na fikambanana. Ho an’ny Tiako I Madagasikara raha ny zava-misy dia Dr Rakotomanana Gervais, Rtoa Sophie Ratsiraka, zanaka vaviaivon’ny amiraly ny an'ny AREMA, Rtoa Marcelle Ratsiraka vadin’ny filohan’ny antoko MTS ny an'ity farany. Misalasala ny « MAPAR » ny amin' Atoa Dinh-Van Ricky Pagny, lefitra faharoan'ny PDS Toamasina teo aloha ka mety hosoloina olon-kafa. Ho an'ny HVM indray dia tsara toerana ny Dr Hassanaly Patrick Zara, VHAM Atoa Intsourou Eric. Ireo hirotsaka amin’ny anaran'ny tenany manokana kosa dia re ny anaran-dRtoa Rtoa Tsé Sampivony Claudine, Atoa Joël Patrick (Patou), Joël Bevoavy…ankoatra ireo naneho fahavononana hafa miafinafina. Andrasana manomboka anio alatsinainy hatramin’ny zoma amin’ny 5ora hariva avokoa izany ny fandrotsahan’izy ireo ny antontan-taratasiny.

 

Rakoutou 

 

Tamin'ny 2009 no nisy Ben'ny tanàna voafidy niasa farany tao amin'ity Lapan'ny tanànan'i Toamasina ity

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT