Politique

Orlando Robimanana Manomana ny fidirany amin’ny politika


  • Sabotsy 05 Septambra 2015

Mitarika ny vovonan’ny mpandinika antsoina hoe «Madagascar, un potentiel à redécouvrir» ny Tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana teo aloha, Orlando Robimanana, ary ankehitriny anisan’ny komitin’ny tetibola eo anivon’ny Fitsarana iraisam-pirenena.

 

 Ny handroso vahaolana efa voaporofo fa nampandroso ny firenena iray no anisan’ny antom-pisian’ity vovonana ity. Handroso volavolan-dalàna eny amin’ny Parlemanta izy ireo, anisan’izany ny fanitsiana ny lalàn’ny hetra, ny fanatsarana ny lalàna mifehy ny tetibola mba hifanaraka amin’ny ady amin’ny fahantrana mba tsy hiankinan-doha be intsony amin’ny vahiny. Ho an’ny mpandinika politika dia dingana mankany amin’ny fidirana eo amin’ny sehatra politika ity ataon’i Orlando Robimanana ity. Misy miresaka mihitsy aza fa ho anisan’ny kandida filoham-pirenena amin’ny 2018 izy, ka mety fanomanany ho amin’izany ity vovonana tarihiny ity.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT