Politique

Opération Mandio Nandaitra sy nampihena ny halatra omby, hoy ny Mada omby


  • Alakamisy 18 Oktobra 2018

Ela no tsy heno nitaraina intsony momba ny herisetra mpahazo ny tontonlon’ny fandraharahana omby ry zareo avy eo anivon’ny Mada omby, anisan’ny koperativa lehibe indrindra misehatra eo amin’io tontolo io.

 

 

 

 

Araka ny nambaran’ny filohan’izy ireo, Tahiry Sambehafa, nahomby sy nandaitra ny hetsiky ry zareo avy eo anivon’ny zandarimariam-pirenena na ny Opération Mandio raha ny hita tato anatin’ny 3 volana. Manatanteraka iraka isa-kerinandro any amin’ireo faritra misy ny koperativanay aho, hoy ny tenany fa hitako ho nisy fihenany teo amin’ny 30% teo avokoa ny halatra omby raha ny hitako ao Tsiroanomandidy sy Maintirano fotsiny.  Mety ho antony mampihena izany koa ny fampielezan-kevitra saingy iny moa resaka politika ka tsy hidiranay loatra. Manodidina ny 1.800.000 isa eo moa ireo omby sahanin’ny Mada omby, raha ny nambarany, ary mitsinjara ao Maintirano, Ambatomainty, Antsalova, Morafenobe, Ihosy ary Miandrivazo.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT