Politique

Oniversiten’Antananarivo Natao sarika am-pandriana i Berija


  • Alakamisy 08 Janoary 2015

Nosamborin’ny mpitandro ny filaminana omaly vao mangirandratsy teny Ambolokandrina i Berija filohan’ny fikambanan’ny mpianatra eny amin’ny oniversite Ankatso

Raha ny fantatra dia mety ho tohin’ny hetsika nataon’izy ireo no nisamborana azy omaly tamin’ny 5 ora maraina. Mbola nanohy hatrany ny fitakiany sy ny mahakasika ny olana amin’ny delestazy sy ny fatapahan-drano eny Ambohipo sy Ankatso iny mantsy izy ireo ny talata. Fantatra ihany koa fa anisan’ireo mpikambana nikarakara ny fandaniana ny filoham-pirenena amin’izao fotoana ny tenany tamin’ny fotoan’androny. Tamin’izany dia voalaza fa nisy ny fampanantenana nataon’ny filoham-pirenena ho an’ireo mpianatra saingy tsy notanterahiny rehefa tonga filoha ity farany ka hanaovan’izy ireo fitakiana hatramin’izao. Araka izany dia tampoka ary tsy nisy nanampo ny fahatongavan’ireo mpitandro ny filaminana teny an-tranony omaly raha ny voalazan’ny namany akaiky nahita ny zava-niseho. Ahiana hitarika korontana sy savorovoro hafa indray ity fisamborana ity, hoy ireo mpianatra raha tsy milaza mazava ny tena antony hisamborana ity filohan’ny mpianatra ity ny tompon’andraikitra ka manome 24 ora ny fitondrana izy ireo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT