Raikitra indray ny grevy eny Ankatso. Nisantatra izany ireo mpianatra ho mpitsabo sy ny paramed omaly. Tahaka ny mahazatra isan-taona dia olana momba ny vatsim-pianarana no anton’ny fitokonana.
Tsy nahafa-po ny fifampidinihana tamin’ny sojabe lefitry ny fakiolten’ny medecine Samison Luc Hervé, ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny fampianarana ambaratonga ambony solontenan’ny filohan’ny oniversite sy solontenan’ny mpianatra. Tsy misy daty mazava hivoahana vatsim-pianarana, miandry ny fanamboarana ireo antontan-taratasy hoy ny tompon’andraikitra. Tsy azo ekena izany fa daty mazava no takianay, hoy ireo mpianatra ka noho izany dia mbola mitohy ny grevy, sady nitety ny oniversite niaraka tamin’ny sorabaventy no namoaka ireo mpianatra tany an-dakilasy ireto mpitokona ireto. Fantatra fa manohana izao hetsika izao ihany koa ny mpianatry ny DEGS.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.