Ny voka-pifidianana amin’ny 7 novambra 2018 ihany no ahitana hoe iza no favori sy lanim-bahoaka, hoy Rtoa Onitiana Realy talen’ny fampielezan-kevitry ny kandida Hery Rajaonarimampianina omaly.T
sy misy afaka milaza izany amin’izao fotoana fa efa tompon’ny fandresena hoy izy, na dia efa nisy aza ny resaka pre-campagne sy fitetezam-patitra tetsy sy teroa. Efa niomana ny olona iray matoa nirotsaka hofidiana filoham-pirenena ary mety efa mba nanao asa mangiana tany amin’nyfaritra sy ny fokontany tany, hoy izy. Manoloana ny fanenjehana etsy sy eroa dia nambarany fatsy mampiasa fahefam-panjakana sy fitaovam-panjakana izany mihitsy amin’ny fitetezam-paritra ataony i Hery Rajaonarimampianina… manaja lalàna izahay, hoy i Onitiana Realy ary tsy manaotao foana izany. Sahirana ny firenena, hoy hatrany ny fanazavany kanefa tsy azo soketaina ho fototr’izany i Hery Rajaonarimampianina. Mila Tonga saina sy mandinika tsara isika Malagasy , hoy izy fa tsy hanaiky ny kobaka am-bava sy ny fampanantenana fa hanome ny volana sy ny masoandro.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.