Politique

Onitiana Realy Hisintaka kely amin’ny tontolo politika aloha


  • Alakamisy 29 Novambra 2018

Namoaka fanambarana omaly Rtoa Onitiana Realy, minisitry ny mponina teo aloha ary talen’ny fampielezan-kevitry ny kandida Hery Rajaonarimampianina fa hiala kely amin’ny tontolo politika mandritra ny fotoana voafetra ny tenany.

 

 

 Nambarany fa hifantoka kokoa amin’ny sehatry ny serasera sy ny asa sosialy indray aloha izy manomboka izao. Asa efa nahafantarana ahy mialoha ny naha minisitra ahy ny resaka serasera, hoy i Onitiana Realy ary nimasoako kosa nandritra ny nitantanako ny minisiteran’ny mponina ny 25 janoary 2015 hatramin’ny 11 jona 2018 ny asa sosialy. Tetsy an-kilan’izay dia niarahaba ny vahoaka Malagasy noho ny fahendrena nasehony tamin’ny fiatrehana ny fifidianana izy, niarahaba ny CENI sy ny HCC ihany koa noho ny adidy lehibe niantsorohan’izy ireo ka nahavitana soamantsara ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany. Nankasitrahany manokana ny ezaka sy ny fanetren-tena lehibe nataon’Atoa Hery Rajaonarimampianina nandritra ny naha filoha azy sy tao anatin’ny fiatrehana ny fifidianana. Teo ihany koa ny fitokisana napetrak’ity filoham-pirenena teo aloha ity taminy. Farany, niarahaba an’Andriamatoa isany Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana izay hiatrika ny fihodinana faharoa ny tenany ary manantena fa ho tanteraka ao anatin’ny filaminana ny fifaninanana fa tsy sanatria ho lasa sakoroka hitarika korontana indray eto amin’ny firenena.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT