Politique

Onitiana Realy “Gaboraraka ny fitantanana tamin’ny tetezamita”


  • Sabotsy 18 Aogositra 2018

Ny sabotsy 25 janoary 2014 no nandray ny fahefana maha filoham-pirenena voafidim-bahaoaka azy i Hery Rajaorimampianina, ary herintaona katroka taorian’io no voatendry ho minisitry ny mponina i Onitiana Realy, izay tamin’ny fanovana governemanta farany teo vao nesorina tao.

Nambarany fa maro ny zavatra tsy nety tao anatin’ny fitondrana tetezamita notantanan’i Andry Rajoelina ary tena maro be ny gaboraraka.Aoka tsy afangaro ny resaka hoy izy.Onitiana Realy izay mpanao gazety mialoha ny naha minisitra azy ary vavolombelon’ny zava-nitranga rehetra teto ka mahafantatra tsara ny hadalana nataon’ny fitondrana tetezamita. Tsy arakaraka ny voizina amin’ny haino aman-jery fa olona tsotra ny filoha mivady, hoy izy raha nandray fitenenana nandritra ny lanonam-panambarana ofisialy ny haha kandida filoha an-dRajaonarimampianina teny amin’ny Hotely Colbert, omaly. Ny ampitson’ny nandraisany fahefana anefa, efa nanomboka ny fanenjehana ka ireo nandetika ny firenena tao anaty krizy no lohalaharana tamin’izany, raha ny nambarany. Herintaona nitondrana dia efa naongana teny amin’ny antenimieram-pirenena. Tsy navela niasa sy nisedra zavatra maro saingy mbola io foana. Mbola nisy indray ny krizy farany teo, ary izay rehetra naongana teny amin’ny 13 mey dia niongana avokoa, izay midika fa hafa mihitsy izy, hoy ity minisitra teo aloha ity. Nisedra zavatra maro ny firenena, ary vao farany teo ny teny amin’ny 13 mey. Namolavola azy ho tsara kokoa noho ny teo aloha izany sedra izany. Tsy mbola nisy teto amin’ny tantaram-pirenena hoe ny vady aman-janaky ny filoha no henjehina sy haratsiana hatramin’ny fiainany manokana. Teo ny fahendrena, fahamendrehana sy ny fandeferana, fa teo ny fitantanan’Andriamanitra, hoy izy. Minisitry ny vola sy ny fitantanam-bola izy ny tetezamita. Ny minisiteran’ny vola no be vola indrindra, ka raha tamin’ity 2018 ity ohatra dia 2009 miliara ariary. Mbola naheno ve ianareo tamin’ny tetezamita hoe nanodikondina volam-panjakana ny tenany tamin’izany na nalaza aza ny fanondranana harem-pirenena samihafa ? Efa tonga filoha indray ve vao hanaonao foana ? Tsy lojika izany, hoy i Onitiana Realy. 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT