Miteraka resabe ny isan’ny kandida filoha izay 36, ary mbola misy ny kandida miahiahy manoloana ny lalàm-pifidianana sy lesoka samihafa. Zon’ny tsirairay ny mirotsaka hofidiana Filoham-pirenena rehefa mahafeno ny fepetra takiana rehetra,
hoy ny kandida Jean Omer Beriziky, raha nalaina ny heviny saingy atao kilalao ny firotsahan-kofidiana ho amin’izany andraikitra ambony indrindra eto amin’ny tany sy ny fanjakana izany. Heverin’ny sasany mantsy fa azo atao mora foana izy io. Raha ny tenako manokana, mihevitra fa misy fomba hahafahana mametra ny isan’ny kandidà amin’ny fifidianana. Mety hisy ny hihevitra fa tsy mifanaraka amin’ny fahalalahana sy ny demokrasia izany. Tokony hisy arofanina sy fepeta hentitra kokoa ho an’ireo maniry hirotsaka satria zava-dehibe loatra ny fitantanana ny firenena. Izao isika miaina toe-draharaha mahatsikaiky. Raha ny eritreritro hatramin’izay ary efa nambarako ombieny ombieny dia tsy tokony mbola atao io fifidianana io noho ny antony maro. Raisina fotsiny ohatra ilay lisi-pifidianana. Be loatra ireo olona efa ampy taona, afaka mifidy ary manana zo hifidy nefa tsy tafiditra ao anaty lisi-pifidianana. Maninona ilay fifidianana no atao amin’ny fotoan’ny fahavaratra ? Raha ferana tsy hihoatra ny 700 ny isan’ny mpifidy isaky ny birao-pifidianana dia hiakatra hatramin’ny 25 000 ny isan’ny biraom-pifidianana. Efa manodidina ny 5000 izany ny tombony ka aiza daholo ireo biraom-pifidianana vaovao ireo ? Ny lalàna na andrim-panjakana niteraka adihevitra be sy nampisy lonilony toy ny lalàm-pifidianana, lalàmpanorenana, CENI dia tsy azo heverina intsony fa mbola hitondra fitoniana indray raha tsy misy fanamboarana. Izay ilay lazaiko hoe ireo rehetra ireo tokony ho namboarina avokoa izay vao niroso tamin’ny fifidianana. Sarotra ny hametraka fitokisana amina andrim-panjakana voatendry daholo ny mpikambana ao antiny satria sarotra ny hino fa tena mahaleotena izy. Tsy maintsy hahatsiaro hanana tamberin’andraikitra amin’ireo nanendry azy mantsy ireo mpikambana ireo… Na maro aza ny zavatra heveriko fa tsy azo ekena dia nanapa-kevitra aho ny hirotsaka mba hahafahako mitondra fanitsiana amin’ireo lesoka rehetra. Sady tsy matoky olon-kafa ankoatra ny tenako aho hitondra ny fanovana heveriko hampandroso ny firenena sy ny mpiray tanindrazana amiko, hoy ity kandida ity.
Toky R sy Marigny A
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.