Nahavita sy nametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina ho filoham-pirenena ny praiministra teo aloha, Omer Beriziky, omaly teny amin`ny HCC. Tsy mbola feno ny fepetra rehetra hanatanterahana fifidianana madio, malalaka, izay heken`ny besinimaro ny vokany.
Tokony hovaina ihany koa ny lalàmpanorenana satria efa im-betsaka no nandikana azy ka midika fa misy zavatra tsy mety, saingy kosa lasa lavitra be ny firosoana mankany amin`ny fifidianana ka sarotra ny hiverenana, hoy ity praiminisitra teo aloha ity. Nefa raha izany no hifanarahana dia azo atao tsara mba hametrahana lalàmpanorenana tena izy, hifanarahan`ny besinimaro dia izay vao miroso amin`ny fifidianana. Tokony hisy ny fanitsiana ny rafitry ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) sy ny fanendrena olona ho ao anatin`izany. Ny fametrahana ny Fitsarana ambony (HCJ) ihany koa dia manjavojavo kanefa io no andry iray ahafahana mitsara izay tompon`andraiktra ambony ka mihoa-pefy sy tsy manara-dalàna. Raha tafapetraka ireo rehetra ireo dia afaka miroso amin`ny fifidianana ary tsy mangataka fotoana lava be fa ao anatin`ny herintaona dia ho vita kanefa moa natao tery vay manta ny fifidianana. Hohajaina tokoa ve ireo daty voatondro ireo ? Vonona hirotsaka kandidà ny tenany na dia misy ihany aza ny azo kianina. Ny fikambanana Soa iombonana sy ny antoko UNDD, akaikin’ny filoha teo aloha Zafy Albert no hanohana azy amin`io fifidianana io. Marihina fa tamin`ny 7 jolay lasa teo no nilaza tamin`ny fomba ofisialy fa ho kandidà filoham-pirenena Ingahy Omer Beriziky ka nilaza ny hampisafidy ny Malagasy amina rafitra roa dia ny rafi-panjakana tokana sy ny rafitra federaly raha eo amin`ny fitondrana. Manao antso avo an`ny Malagasy mba ho tony izy hirosoana amin`ny fifidianana tsy misy raorao ka afaka hisafidy malalaka izay ho filoham-pirenena heverina hahavita hitantana ny firenena satria be loatra ny fery napetraky ny krizy nifanesy teto amintsika.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.