Politique

Omega Jean Julien Aoka izay ny famitahana !


  • Alarobia 12 Septambra 2018

Manao ranolava ny fanehoan-kevitra manoloana ny fahantrana iainan’ny vahoaka Malagasy sy ny fahavoazana ara-toerana diavin’i Madagasikara.

 Tonga ny fotoana ankehitriny izay tsy maintsy ijoroana, hoy i Omega Jean Julien. Tsy maintsy hamoahana sy hanambarana ny zavatra misy ary ny tena marina iainan’ity firenena malagasy ity. Tao anatin’ny taona maro mifandimby izay, mandrak’ity ny androany mbola mihatra ary mihamafy hatrany ny fahoriana iainan’ny vahoaka. Betsaka, hoy izy, ny olona manome fampanantenana, manana faniriana te hamonjy an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny fomba sy fahaizany araka ny maha olombelona azy nefa azo porofoina ankehitriny fa zava-poana izany rehetra izany, ka « izay no ijoroako ». I Madagasikara dia firenena miavaka, ka tsy mitovy velively amin’ny fomba fitantanana ny firenen-dehibe any ivelan’i Madagasikara Mila tonga saina isika amin’ny hitondrana ny firenena, noho izany n’iza n’iza tsy afaka ny hanafaka, ny hamonjy an’izao fahoriana mahazo an’i Madagasikara izao afa-tsy Andriamanitra ihany. Misy anefa ireo olona mbola mikiribiby, mizotra amin’ny lalana tsy izy, mitondra an’i Madagasikara amin’ny fahoriana sy fanandevozana hatrany. Aoka izay ny famitahana, ny fanandevozana izay atao amin’ny firenena malagasy fa tonga ankehitriny aho hiady amin’ity fahavalon’i Madagasikara ity, hiaro ny tombontsoan’ny firenena Malagasy. Na izany aza, nanipika mazava i Omega Jean Julien fa tsy mpaminany fa miaramila vonton’ny tenin’Andriamanitra hiady ho an’ny tanindrazana.

 Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT