Politique

Olon-tsotra sy ny fifidianana Tokony hodiovina aloha ny lisi-pifidianana…


  • Talata 13 Novambra 2018

Ny tsy fahatomombanan’ny lisi-pifidianana no antony miteraka ireo karazan’olana sedraina misy eto amin’ny firenena ankehitriny taorian’ny fifidianana fihodinana voalohany, hoy i Dadafara Bera,

anisan’ireo olon-tsotra monina ao amin’ny fokontany Andranomasina, kaominina Ambohimanga, distrikan’Ambohidratrimo. Tsy nandeha araka ny niheverana azy mantsy ny fanisam-bahoaka natao teto amintsika. Nolazaina fa isaina hatramin’ny zaza minono nefa natao aiza ireny ? Mbola tafiditra ao anatin’ny lisi-pifidianana ihany ny anaran’ireo olona maty ary afaka mifidy izy ireny raha very zo kosa ny ankamaroan’ireo olona velona. Tokony hodiovina, araka izany, ny lisi-pifidianana mialoha ny hanatanterahana ny fihodinana faharoa ahitana izay tena tian’ny vahoaka marina. Roa herinandro monja izany dia vita raha omena ny sefom-pokontany ny fahefana hanisa ireo fokonolona ao aminy izay notsindriany ihany koa fa tokony hofidiana amin’izay manomboka izao fa tsy tendrena na apetraka fotsiny. Ho azy manokana dia vonona ny tenany ny hifanohana amin’ny CENI amin’ny fanatanterahana izany ao amin’ny fokontany misy azy  hivoahan’ny tena safidim-bahoaka marina.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT