Tena variana amin’ny hevi-dravina miendrika adin’akoholahy ny mpitondra fanjakana ankehitriny,
hoy ity olom-pirenena tsotra tafaresaka taminay eto amin’ny Tia Tanindrazana omaly. Raha nisy mantsy ny resaka fanangonan-tsonia nataon’ireo solombavambahoaka hoe hanaovana “motion de déchéance” ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina dia mba nianatra nanao izany koa ny an-kilany mpiaro ny fitondrana. Ny zava-marina anefa dia tsy ny fanaovan-tsonia loatra no inona fa ny fifidianana izay nivantana natrehan’ny besinimaro nananan’ny hetsika nataon’ireo solombavambahoaka “valeur juridique”. Azo ambara fa resaka fandaniana andro fotsiny izany ny tian-katao manodidina an’ity hoe fanaovan-tsonia etsy sy eroa ity.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.