Politique

Olon`ny HVM Tsy hita popoka i Maitre Avoko


  • Alakamisy 31 Mey 2018

Manomboka mipirimpirina avokoa ireo olon’ny HVM miaro ny fitondrana tato ho ato.

Tsy andrenesam-peo intsony ireo mpila ranondranony tamin`ity antoko ity. Nafana ny toe-draharaham-pirenena nanomboka ny 21 aprily lasa teo kanefa tao alohan`izany nisesy ny fanambarana mandokadoka sy miaro ny fitondram-mpanjakana. Anisany Rakotoarijaona Avoko na Maitre Avoko, izay mpiangaly ny Kung fu Madagasikara. Efa nisy moa ny resaka nandeha fa hantsangan`ny filoha Rajaonarimampianina ho milisy sivily ny Kung Fu. Tanjona ny ahafahan`ireo mpanao Kung-fu misakana ireo rehetra mikasa hidina an-dalambe na hanao fihetsiketsehana. Nanan-tantara ny Kung-Fu ho an`i Madagasikara notarihan`i Grand-Maitre Pierre Be, rain`i Maitre Avoko ihany, saingy mifanohitra tanteraka ny fotokevitra raha oharina amin`ny ankehitriny. Marihina fa nanohitra ny TTS, ireo gros bras nokaramain`ny fitondrana Ratsiraka tamin`izany ireo mpiangaly kung-fu tarihan`i Maitre Pierre-Be.  Lasa mahamenatra ny zava-misy ankehitriny satria ny Grand Maitre Pierre Be dia niaro olona nanao ny marina tanteraka kanefa ny zanany dia mitady hanao herimpamoretana sy hanampim-bava ny hafa.  Tamin`ny fanaterana ny fehin-teny fiarovantenan’ny filohan’ny repoblika, tetsy Ambohidahy ny 18 mey lasa teo, ireo mpisolovava sy parlemantera HVM no nahitana ny Maitre Avoko farany ary tsikaritra fa miteniteny lasa miaro ny fitondrana hatrany. Ankehitriny, tsy miteny, tsy mivolana sady tsy manao fanambarana i Maitre Avoko.

 


 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT