Anisan'ny mpandray anjara amin`ny hetsika sy tolona ataon'ny depiote ho an`ny Fanovana ny OHT izay mitaky hatrany ny fialan'ny Hery Rajaonarimampianina. Ity farany ity dia tsy nanaja sy nikatsaka ny tombontsoa pirenena sy iombonana nanomboka tamin`ny nandraisan'ny fahefana, efa-taona lasa izay.
Araka ny nambaran` i Dr Emile Ratefinanahary, mpandrindra ny Fikambanana OHT, dia ny didy navoakan'ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana ao amin`ny andinin-dalàna faha- 3 dia fanesorana avy hatrany ny filoham-pirenena fa tsy hoe handeha hanangana zavatra afa indray. Ankoatr'izay ny andininy faha 8 izay milaza ihany koa ny hanaovana ny fifidianana mialoha ny fotoana. Midika izany fa Ingahy Rajaonarimampianina dia tsy mendrika intsony hamita ny fotoam-piasany. Tsara marihana fa ny tolom-bahoaka tarihan'ny depiote 73 dia manara-dalàna ary ny didy navoakan`ny HCC ihany koa dia tsy azo ivalozana. Ny zava-mitranga anefa dia ny filoham-pirenena sy ny mpiara-dia aminy dia toa mampiseho fihetsika fa tsy hanaraka an’io didy io. Misy hatramin`ny fandikàna vilana an'io didy io mba hanankorontanana ny saim-bahoaka indray. Noho izany dia mbola hitombo indray ny tsy fanajana ny didim-pitsarana, hivesatra eo amin`ny lohan`ny filoham-pirenena raha sanatria tsy mampihatra izany didy navoakan ny HCC izany. Manolohana izany rehetra izany dia manao antso avo amin`ny vahoaka Malagasy tia tanindrazana sy mpitolona ny Dr Émile Ratefinanahary, mpandrindra ny OHT, mba tsy hiroroho saina ary hijoro hatramin`ny farany mba ho an`ny tombotsoa firenena sy ny taranaka faramandimby.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.