Politique

Olon`ny Freedom Tsy nanisy hasiny an`ireo Tangalamena


  • Alatsinainy 21 Janoary 2019

Lanonana hafahafa. Nandritra ny lanonam-panjakana teny Iavoloha dia efa niseho nilay sahady ny olon-dRajoelina. Hailika tsy hahazo laka sahady ve ny hafa ?

 Nibahan-toerana ny antoko Freedom tany Iavoloha ary tsy nomena toerana sy sakafo ireo tangalamena tonga nanome voninahitra ny filoham-pirenena vaovao mivady, Andry sy Mialy Rajoelina. Olobe eto amin`ny firenena ny Tangalamena sy Ampanjaka kanefa toa nanjakan`ny antoko Freedom ny teny an-dapa. Sanatria kilalaon-jaza ve ity hataon-dry zareo ity ? Sa olona tsy vory saina no mikarakara ny lanonana ? Raha ny zava-nisy aloha dia hiarahan’ny rehetra mahita fa tena voahitsakitsaka mihitsy ireo ampanjaka. Raha ireo olona mitonona ho Hendry no manao raharahan’adala dia ho aiza ? Samy mitady vahaolana ho an`ny firenena fa ny fanimbazimbana ny hasina misy eo anivon`ny fiarahamonina kosa tokony hisy fanasaziana an`ireo manao izany. Maro loatra ny saina mirefarefa.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT