“Resaka fitadiavana sary tsara eo anoloan’ny mpamatsy vola sy ny vondrona iraisam-pirenena fotsiny, no ataon’ny fitondram-panjakana mikasika ny zava-misy momba ny filoha Ravalomanana.
Raha ny tena zava-misy dia mbola voafatotra sy voageja Atoa Ravalomanana, satria izay tenenin’ireo milaza ho mpiaro azy no tanterahany araka ny baiko midina voarain’izy ireo…”. Izay no anisan’ny nambaran’ireo mpiara-dia tamin’Atoa Ravalomanana Marc tao Toamasina ny faran’ny herinandro teo, nanoloana ireo mpiara-dia aminy izay tsy azon’Atoa Ravalomanana nihaonana mihitsy noho ilay baiko nidina tao Ambodisoanambo Toamasina efa nanomanana ny fihaonana sy fandraisana azy.
Nambenana tao amin’ny hotely
Tsy navela nivoaka ny trano fandraisam-bahiny “Le Neptune” izay nametrahana azy i Dada, saingy tao kosa no nandraisany ireo lohandohan’ny mpisoron’ny Tiako I Madagasikara (TIM) sy ireo ho kandidan’ny antoko avy amin’ireo kaominina andraisan’ny TIM anjara amin’ny fifidianana izay ho ben’ny tanàna eo anivon’ny faritra atsinanana. “Mbola voageja sy voafatotra aho noho ny resaka ara-panjakana, nefa tsy ataontsika ho sakana izany satria mila matoky isika, mila tsy mibirioka amin’ny marina isika, ary mila tsy matahotra isika…” hoy kosa i Marc Ravalomanana teo anatrehan’ireo mpino tao amin’ny fiangonana FJKM Betela Tanambao V. Ny fidirana faharoa tamin’ny fanompoam-pivavahana tao amin’ny fiangonana Betela no nandraisana an’Atoa Ravalomanana ombam-bady aman-janaka, mbola araka ny baiko nidina ihany. Tonga niatrika ny fotoam-bavaka ihany koa ny filohan’ny FJKM izay mitarika ny FFKM ny mpitandrina Lala Rasendrahasina, noho ny fankalazana ny andron’ny dorkasy natao tao Toamasina. Nambarany ihany koa fa “tena ilaina amin’ny fametrahana ny fitoniana sy ny filaminana ary ny fihavanana Malagasy, ny fanatontosana ny fihavanam-pirenena ataon’ny FFKM. Handray anjara aho sy ny Tiako I Madagasikara na teo aza ny resaka nandeha momba ny fisitahana tao anatin’izany. Mpanaja ny rafitra napetraka isika mpino ka manaja ny fifandaminana nifanaovana ihany koa”. Ankoatra izay, nilaza ihany koa Atoa Ravalomanana mikasika ny fanirian’ny dorkasy hanangana fiangonana ao manambohitra, dia nilaza ny tenany fa hanampy amin’ny fananganana ilay fiangonana.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.