Politique

Olon-dRajoelina sy ny tetezamita Tompondakan’ny fanaovana fihetsika mamoafady


  • Sabotsy 25 Aogositra 2018

Manomboka mifoha indray ny tantara ary miparitaka ny sary mirakitra ny toetra mamoafady nasehon-dry Rajoelina sy ny ekipany nentina nandrombahana fahefana tamin’ny 2009.

Henjana ny fametavetana raiamandreny am-panahy, toy ny herisetra natao tamin’ny Pasitera Lala Rasendrahasina  teny amin’ny Episcopat Antanimena ny 17 martsa 2009. Ny nanaboridanana sy nampandohalehana an-dry Manandafy Rakotonirina sy ireo olona maromaro teny amin’ny Hotely Carlton nandritra ireny fanonganam-panjakana ireny. Raiamandreny sy olona manana ny maha izy azy teto amin’ny firenena, saingy notevatevain’ny miaramila iraky ny lehiben’ny mpanongam-panjakana. Toetra tsy fampiseho masoandro ary izy ireo no sahy nanao izany hatramin’ny tantaran’ny firenena.         Efa niha matotra aho izao, fa tsy toy ny tamin’ny 2009, hoy Rajoelina tsy maka sarotra. Tsy mbola nisy na fifonana sy fialan-tsiny kely monja nataon-dRajoelina tamin’ny fihetsika mamoafady rehetra nataon’izy ireo. Tsy mety manaiky diso fa namotika sy nandentika ny firenena, fa dia mbola sahy mirehareha fatratra ihany. Laharana faha-99 maneran-tany isika teo amin’ny resaka fahantrana, ary nitotongana tany amin’ny faha-127, ary lasa faha-145 taty amin’ny fanjakana Rajaonarimampianina. Matoa manongam-panjakana, indrindra fa natao tamin-kerisetra sy fomba feno habibiana, dia efa manana antoka sy toky fa mahavita tsaratsara lavitra noho ilay fanjakana naongana satria dia aim-bahoaka sy aim-pirenena no kirakiraina ao anatin'izany, saingy tsy izay no niseho, hoy ny mpandinika iray.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT