Politique

Olom-pirenena mitovy fomba fijery Tsy mahavaha olana ny mpanao politika


  • Talata 22 Mey 2018

Nivondrona ho iray ireo olom-pirenena mitovy fomba fijery eto amin’ny firenena. Anisan’ireny i Ndranto Razakamanarina avy ao amin’ny Alliance Voahary Gasy, Fanirisoa Ernaivo filohan’ny sendikan’ny mpitsara, Mamitiana Razafimandimby filoha tale jeneralin’ny Scoop digital, Françis Razafiharison na i Françis Turbo mpanao hatsikana sady mpanentana ary Rado Rabarilala, mpikambana ao anatin’ny sendikan’ny mpiasan’ny Air Mad.

Hanambatra ny heriny izy ireo manomboka izao entina hanavotana ny firenena. Raha araka ny  nambaran’izy dimy mianadahy ireto  mantsy dia  tsy mahavaha olana ny mpanao politika Malagasy. Miverina hatrany ny krizy, hoy izy ireo, tsy omena ny hasiny ny mpanelanelana, mihamahazo vahana ny kolikoly sy ny tsy fandriampahalemana ary ny fangoronan-karena amin’ny tsy rariny izay miteraka fahantrana mangitsokitsoka eo amin’ny fiainan’ny maro an’isa. Hanambatra ny paikadiny avy ny tsirairay izay marihina fa olona samy manana ny maha izy azy avokoa sady efa mahalala tsara ny olana mianjady eto amin’ny firenena. Mahatoky izy ireo fa ho vitany ny hanafaka an’i Madagasikara, fanampiana tsy ilana fitadiavan-tseza na tambiny fa mba ho tombontsoan’ny besinimaro. Tsiahivina moa fa tsy eken’izy ireo ny fizaran-tseza ketrehin’ireo mpanao politika amin’izao satria lalana tsy ahitam-bahaolana, hono.

 Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT