Politique

Olom-pirenena Leo krizy…


  • Zoma 26 Oktobra 2018

Tsy dia mahataitra ny olona ny kajikajy politika mandeha eo amin`ny tontolon`ny fifidianana.

 

  Tsy dia miraika amin`ny adilahy politika intsony fa miandry fotsiny ny tohin`ny tantara. Na dia niaiky ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana fa nisy ny tsy fahatomombanana teo amin`ny fikarakarana fifidianana dia milaza ny CENI fa aleo ny mpifidy no tompon`ny teny farany. Na mitombina aza ny tsikera avy amin`ny kandidà sasany momba ny fanomanana ny fifidianana dia toa nohenoina fotsiny fa tsy nisy fiantraikany amin`ny dingana hanatontosana fifidianana. Nisy ny fifanarahana politika nataon`ireo kandidà mpitsikera ny zoma lasa teo mitaky ny fanovana na fanamboarana ireo rafitra efa misy momba ny fifidianana kanefa nampizarazara ny hevitra. Nisy ireo mangataka ny fanemorana ny fifidianana fa misy kosa mankasitraka. Ao ny mihevitra fa tsy tokony hahemotra fa amboarina kosa ny lisitra. Eo ihany koa ireo mihevitra fa tsy azo kitihana ny lalàmpanorenana. Samy mikendry ny fivoahan`i Madagasiaraka amin`ny krizy efa lalim-paka ny rehetra. Leo krizy rahateo koa ny vahoaka ka tsy dia tena miray hevitra amin`izy ireo ny ankamaroan`ny olona.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT