Politique

Olom-panjakana Tsy natao velively hanilika andraikitra


  • Alarobia 26 Novambra 2014

Azo sokajiana roa miavaka tsara ireo mpitondra firenena manerantany raha ny lafiny fitantanana no asian-teny. Samy olom-boafidy sy olom-boatendry avokoa izy ireo amin’ny ankapobeny saingy eo amin’ny fahaizana maneho hevitra ampahibemaso sy ny fahasahiana mandray andraikitra no ahitana na olom-panjakana izy ireo na kosa olom-pahefana.

Olona kisendrasendra na tsy niomana ny hitantana firenena, ohatra, ny ankamaroan’ireo mpitondra nifandimby teto Madagasikara hatramin’ny niverenan’ny fahaleovantena tamin’ny taona 1960. Antony iray lehibe tsy nisian’ny fampandrosoana maharitra teto amin’ny firenena izay nandrandrain’ny vahoaka Malagasy io fahatongavana tampoka teo amin’ny toeran’ny filoham-pirenena mpitari-dalana ny mpiray tanindrazana an-tapitrisany io. Trangan-javatra iray nifandovan’ny mpitondra nifanesy ihany koa ny niezaka nifikitra teo amin’ny toerany tamin’ny fomba rehetra toy ny fihazakazahana manangana antokom-panjakana, ny fanapenam-bava ireo tsy mitovy hevitra amin’ny manampahefana ary tonga hatrany amin’ny fampiasan-kery mihitsy aza. Ny tena mampalahelo sy mahamenatra amin’ny fizotry ny fiainam-pirenena tahaka ny mitranga ankehitriny dia ilay toetran’ny mpitondra manilika andraikitra sy miala bala ka tsy lasa litania ny fanomezan-tsiny ireo olom-panjakana nitantana ny firenena teo aloha. Ny olom-pahefana ihany anefa aloha hatreto no havanana amin’ny fanilihana andraikitra satria angamba tsy manana vahaolana matotra iadiana amin’ny fahantrana mianjady amin-dRamalagasy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT