Raha nandray fitenenana teo amin’ny kianjan’ny MAGRO ny Minisitra teo aloha Rakotovazaha Olivier ny Alatsinainy 10 Novambra 2014 dia nilaza izy fa «
Tsy zava-baovao fa fitsipika ao anatin’ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Fifamoivoizana ana habakabaka ny tsy famelana fiaramanidina hitsofoka tsy nahazo fanomezan-dalana ao anatin’ny Faritra ana habakabaka ny firenena anankiray. Andraikitry ny Minisitry ny Fitaterana ny fiantohana ny fiarovana izany Faritra izany. Fiekena ny fisian’ny gaboraraka amin’izany andraikitra nankinin’ny firenena taminy izany ny fanambarana nataony mikasika ny fitoriana nasainy nataon’ny ACM isamborana olona tsy tompon’andraikitra amin’izany akory. Tokony hametra-pialana izy fa tsy voafehiny ny asa nankinina taminy”.
Namaly ny antso nataon’ny CT Hilarion tamin’ny MFM ny MFM hanamafy ny tolona ao amin’ny Magro ka nilaza ny Sekretera Jeneralin’ny MFM fa tsy eken’ny MFM ny fanambarana nataon’ny tompon’andraikitra sasany ao amin’ny Ankolafy tamin’ny haino aman-jery sy gazety fa tao anatin’ny tetezamita ny MFM nefa tsy nahavita ny famerenana ny Prezidà Marc Ravalomanana eto an-tanindrazana. “ Tsy nisisika hitana ny toeran’ny Minisitra sy Filoha na Filoha Lefitry ny Andrimpanjakana ny MFM. Toeran’ny Mpitan-damba no nomena anay ary tsy nierana tamin’ny fanasoniavana ilay tondrozotra izahay izay nampadraiki-dresy ny Ankolafy Ravalomanana lasa vitsy an’isa tao anatin’ny tetezamita”
Tsy miala vehana amin’ny tolona famotsorana ny Prezidà Marc Ravalomanana hiverina eto Antananarivo ny MFM handraisany ny andraikiny amin’ny maha Filohan’ny Ankolafy Ravalomanana azy manana Solombavambahoaka 21 ao anatin’ny Antenimieram-pirenena fa tsy tsy hiandry ny taona 2018. “Raisinay ho fivadihana amin’ny tolona sy amin’ny Prezidà Marc Ravalomanana ny fanaovana paipaika amin’ny alalan’ny fifampiraharahana “Avo Lenta” hanery ankolaka ny Filoha Marc Ravalomanana hilavo lefona hanaraka ny sitrapon’ny Frantsay hisintona tsy hanao politika intsony ho takalon’ny famotsorana azy araka ny tolokevitry ny SEFAFI”
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.