Politique

Olivier Rakotovazaha Manitsoka ny Tale jeneralin’ny ACM


  • Zoma 31 Oktobra 2014

Manao ranolava ny fanehoan-kevitra taorian’ny nilazan’ny komandin’ny fari-piadidian’ny zandarimariam-pirenena faritanin’Antananarivo, ny kolonely Rakotomahanina Florens, fa fitoriana napetraky ny ACM (Aviation Civile de Madagascar) no nitarika tamin’ny fisamborana an-dry Jean-Marc Koumba sy ireo mpiasan’ny ACM efatra tany Antsirabe, ahiahiana ho niray tsikombakomba nanamora ny fahatongavan’ny filoha Marc Ravalomanana teto Madagasikara

Nahitsy ny tenin’i Olivier Rakotovazaha, minisitry ny fitaterana tamin’ny taona 2002, eo anatrehan’ny zava-misy. «Ny Tale jeneralin’ny ACM no tompon’andraikitra voalohany manome alalana vao misy fiaramanidina afaka misidina ny lanitr’i Madagasikara na hiantsona amin’ny seranam-piaramanidina eto Madagasikara, ka izy no tokony hohadihadiana voalohany mikasika ny fidiran’ny fiaramanidina nitondra ny filoha Marc Ravalomanana tao Antsirabe». Notsiahiviny ny tantara tamin’ny 2002. Nisy fiaramanidina Falcon 900 niainga tao amin’ny seranan’i Bourget hihazo an’i Madagasikara. Niantsona tao Dar Es Salam - Tazania, io fiaraminidina io nanao solika, hoy i Olivier Rakotovazaha ary nangataka fahazoan-dalana taty Madagasikara. Nitaky ny hanomezana ny anaran’ireo mpandeha tao anatin’ilay fiaramanidina ny tenako, izay minisitry ny fitaterana, hoy i Olivier Rakotovazaha ka rehefa fantatray fa mersenera 12 lahy ndeha hanafika ny filoha Marc Ravalomanana teny Faravohitra no tao anatiny ankoatra ny mpanamory 3 lahy dia tsy nomena alalana ary tsy tafiditra teto ilay fiaramanidina fa niverina tany Parisy. Koa «fanodinkodinana saim-bahoaka fotsiny ny fisamborana an’i Jean-Marc Koumba sy ireo mpiasan’ny ACM efatra», hoy ity Sekretera jeneralin’ny antoko MFM ity. Mahagaga amin’ity raharaha ity ihany koa ny fahanginan’ny Minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro Andriantiana Jacques Ulrich. Sa nahazo toromarika avy amin’ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara mba tsy haneho hevitra ? Izy rahateo mpikambana amin’ny birao politika !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT