Politique

Olivier Rakotovazaha Hamelona lakolosy isan’andro ny mpanohitra


  • Alakamisy 30 Oktobra 2014

“Hamono sy hanameloka sa hihavana amin-dRavalomanana no tanjon’ny fanjakana ?”, hoy Rarison Hilariona avy any Matsiatra Ambony omaly, teny amin’ny Kianjan’ny Finoana Magro Behoririka. Tsinjovy ny farany ry prezidŕ Hery Rajaonarimampianina, hoy Ralaimampisainarinony Manoel a avy any Atsimon’ny Nosy, fa efa voasoratra fa Ravalomanana no hanavotra ny firenena Malagasy

Asan’ny mpanohitra ny miteny ny tsy mety, hoy i Olivier Rakotovazaha MFM, zo sy lalàna izany ary ho avy an-kianja isan’andro hamelona lakilosy izahay fa  atao ao anatin’ny fitsipika mazava kosa. Afaka manao ny asa amin’ny maha mpanohitra azy ny depiote 21 ao anatin’ny vondrona Tiako i Madagasikara ary ny fanoherana tsy mandeha raha tsy ao Faravohitra i Dada ary  manana ny tombontsoa amin’ny maha filoha azy.  Araka ny teniny dia  tsy afaka miandry 2018 ny fahantran’ny vahoaka ankehitriny. Ny marina dia tsy nahavita na inona na inona ho an’ny firenena ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina ankoatra ny mampalaza azy toy ny delestagy, ny tsy fandriampahalemana, ny fanjakana ratsy tantana sy ny tsy fanajana zon’olombelona…  Fa  dia fisamborana, fanangadrana, famonoana olona sy famonoan-tena sy ny ratsy rehetra  no miseho nefa mbola manantena vola ny mpanao didin-jadona. Manohana azy ny iraisam-pirenena satria tsy tia fanongam-panjakana fa tsy voafehy ny vahoaka rehefa mitroatra sy tsy mahazaka ary izany no nampiady ny MFM tamin’ny vahoaka tamin’ny 1991, hoy ity SG-ny ity.  Lainga sy fitaka izany hoe fidirana an-tsokosoko nataon’ny prezidà Ravalomanana  izany, hoy ity mpanao politika ity. Tsy misy fiaramanidina afaka miainga raha tsy mahazo alalana fa asa ny fusée na sous-marin ? Torio ary ny filoha Zuma. Efa minisitry ny fitaterana ny tenako ary tamin’ny 2002 dia nikasa ny hipetraka teto ny firamanidina frantsay nitondra mersenera 11, tsy navelako satria ny “equipage” tsy mihoatra ny 3 ka niverina tany Naïrobi. Inona izao no nisamborana ny mpiasan’ny ACM fa ny prezida, minisitra na ny direktera ACM tsy nokitihana nefa ireo no tokony nosamborina.  I Jean Marc Koumba angaha mpiasa ambony ao amin’ny ACM ?  Nahaforona asam-panjakana iray alina, hono, ny fanjakana  ankehitriny ka mirehereha, 16 000 no vitanay ary tonga dia nahazo postes budgétaires, anontanio an’i Horace Gatien.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT