4 andro sisa dia ho tonga ny androm-pifidianana izay ho filoham-pirenena. Vao mainka miharihary sy mampimenomenona ireo olom-pirenena anefa ho an’ireo boriborintany eto Antananarivo fotsiny, ohatra, ny olana mitranga eo amin’ny resaka lisitra sy kara-pifidianana, raha ny fanadihadiana natao.
Maro dia maro, hoy ny delegen’ny boriborintany fahatelo, Hery Razafintsalama, ireo fitarainana voarainay mikasika izay anarana latsaka tao anaty lisi-pifidianana izay. Na ireo mpifidy tamin’ny taona 2013 sy 2015 aza nisy tsy ao intsony. Teny amin’izay boriborintany fahatelo izay hatrany dia fianakaviana 2 mifanolo-bodirindrina, ohatra, dia nitaraina fa olona 1 amin’ny mpifidy miisa 6 ihany no hita ny kara-pifidianana. Ho an’ilay fianakaviana 1 dia ny olona efa maty indray no mbola mahazo kara-pifidianana vaovao teny Ambohitrakely teny. Saika itovizana ny olana nanerana ireo boriborintany. Ho an’ny teny Ambohipo, boriborintany faharoa koa, ohatra, dia raim-pianakaviana iray no nitaraina fa sady tsy hita ny karatr’izy ireo no mbola feran’ny tomponandraikitry ny fokontany ihany koa ny fotoana hahafahan’ireo tompon-karatra, izay efa nanana fandavatena, hitady izany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.