Manoloana ny fitarainana nataon’ny fokonolona tetsy Ambodihady Andrefana tamin’ny haino aman-jery sy ny gazety afak’omaly dia tsy niandry ela ny Depiote TIM an’ny boriborintany faha-6 Rasoanoromalala Horace fa nidina teny an-toerana omaly nijery ny zava-nisy.
Raha tsiahivina, nampiditra fiara lehibe manototra tany eny amin’ny tsy tokony hanaovana izany ny sinoa iray eny ary tsy laitra tenenina na dia ny ao amin’ny fokontany aza. Tsy misy ambonin’ny lalàna izany eto ary tsy maintsy andraisana fanapahan-kevitra ny tranga tahaka izao, hoy ny depiote. Nanamafy ihany koa izy fa efa nisy didim-pitondrana vao nivoaka farany teo manakana ny fanotoran-tany rehetra kanefa mbola tratra teo imasony mihitsy ny kamio karamain’ilay sinoa nanao izany. Rehefa izay dia niantso an-tariby ny tompon’andraikitra rehetra teo no ho eo ny depiote ka anisan’ny nantsoiny ny any amin’ny kaominina fakàna fahazoan-dalana, ny lehiben’ny distrika ary ny kaomisaria. Tamin’izay no nanazavany ny tranga nisy ary nanaovany antso avy amin’izy ireo ny hidina hijery haingana ity tranga fanjakazakana ataona sinoa iray amin’ny fokonolona ity. Nanambara moa ny depiote fa hanohana hatrany ny fokonolona amin’izao olana izao mba ho tombontsoan’izy ireo ary nanizingizina izy fa n’iza n’iza tsy maintsy manara-dalàna. Anio no hanatitra ny taratasy fitarainana faobe efa feno sonia ny mponina ka andrasana ny ho mety ho tohin’ny raharaha.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.