Hatramin’ny taona 1972 no ho nankaty dia tsy mbola nety nivaha ihany ny krizy eto Madagasikara ary vao mainka aza miha mafy hatrany.
Hevitra miverimberina matetika ny hoe mila fanorenana ifotony saingy ilay fototr’olana tsy mety misy mampitranga miharihary fa voasafo bemantsina hatrany. Maro ireo mpandinika no milaza fa tarazo navelan’ny mpanjanaka io. Nialoha ny taona 1896, izany hoe niatombohan’ny fanjanahantany, no voalaza fa efa nandinika ny fomba amam-panao sy ny toetran’olona teto Madagasikara ny mpahay olona frantsay, Pirolier. Nitohy taty amin’ny fitondran’ny jeneraly De Gaulle taty amin’ny taona 1910 taty avy eo ny fanapariahana mpahay vondron’olona handinika hatrany ny mombamomba an-dRamalagasy. Teraka teo ny fanavahana isan-karazany toy ny hoe Merina malama loha, Betsileo jokotsorika, Tandroy fangalarana, Betsimisaraka hakamoana sy ny hafa marobe namaritan-dratsy ireo foko 18 ara-panasokajian’ny frantsay azy tao anatin’ireo revion’ny ORSTOM (Organisation de recherche scientifique du territoire d’outre mer). Niha potika tsikelikely teo koa ny soatoavina isan-karazany toy ny fihavanana sy ny firaisankina fa lasa nisolo ory hava-manana sy fifanambakana. Heverina ho fototry ny olana, araka ireo fanadihadiana araka izany, ny tsy fahitana lalana mankany amin’ny fampihavanana tena izy. Hivaha ao anatin’ny 3 na 4 volana ve anefa izany ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.