Tsy mbola misy aloha ny vahaolana matotra sy maharitra hanafoanana tanteraka ny delestazy hatreto, raha araka ny nambarana teknisianina iray ao amin’ny Jirama. Efa delestazy teknika indray no nisy nanomboka tamin’ny alakamisy teo raha ny fanazavany, izany hoe noho ny tselatra sy ny varatra ary ny orambe no nahatapaka ny jiro noho ny fahasimban’ny Transformateur na ny fianjeran’ny andrin-jiro
sy ny fahatapahan’ny tariby mitondra herinaratra. Momba ny fahatapahan’ny rano indray dia nambaran’ity teknisianin’ny Jirama ity fa mbola noho antony ara-teknika ihany no mahatonga izany ary tena miankina betsaka amin’ny herinaratra. Ho an’ny toerana lavitra na faritra avo dia tsy maintsy mila “surpresseur” manosika ny rano hiakatra amin’ireo siniben-drano. Misy izany, ohatra, ny eny Ambodimita sy Iavoloha. Rehefa tapaka anefa ny herinaratra dia tsy mandeha ireo “surpresseur” dia tsy tomombana ny fahatongavan’ny rano, ary na miverina aza ny herinaratra dia tsy maharaka ny isan’ny mpanjifa intsony hadirin’ny rano ao anatin’ireo siniben-drano. Raha ny faharitran’ny rano izany no olana nahatonga ny delestazy tamin’ny main-tany, dia ny tselatra sy varatra indray no mahatonga izany amin’izao fahavaratra izao, izany hoe hisy mandavan-taona ny delestazy mandra-pahita ny vahaolana mahomby. Nanamarika ny loharanom-baovao avy ao amin’ny Jirama ihany fa fitambatambaran’ny olana hatry ny ela no mahatonga izao fahasahiranan’ity orinasam-panjakana ity izao satria nisy ny fotoana tsy afaka namoaka vola hikojakojana ny fitaovany ny Jirama noho ny fepetra napetraky ny fitondram-panjakana. Taty aoriana dia efa nisy ihany ny fikojakojana natao saingy tsy ampy izany. Tena mbola mistery tanteraka noho izany ny fanarenana ny Jirama ary miandry izay politikan’ny fitondram-panjakana, satria izy no tompon’ny orinasa. Herintaona latsaka kely anefa izao no naha filoha an’i Hery Rajaonarimampianina fa tsy mbola hita ny ampahany momba izany vahaolana izany, ary ny tsapa aza dia mitavozavoza fiasa momba ity resaka angovo ity ny fanjakana kanefa io no tena ain-dehiben’ny toekarem-pirenena ary miantoka ny filaminana ara-tsosialy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.