Aoka izay ny fitiavan-tena momba ny raharaham-pirenena fa andao hiaraka hampandroso ny firenena, hoy ny filoha. Niantso ny sendikan’ny mpiasan’ny Air Madagascar sy ny mpitantana ity kaompania ity izy mba hiresaka an-databatra
hikarohana ny vahaolana. Zon’ny mpiasa ny mitokona, hoy izy fa tokony hojerena ihany koa ny tombontsoan’ny mpanjifa. Miantso fifampiresahana any Nosy be. Eto Antananarivo anefa dia efa nilatsaka ny baiko fa tsy maintsy miasa ireo mpiasa ka ho avy eny Ivato mihitsy rahampitso ny mpitandro ny filaminana anio hanara-maso ny zava-mitranga rehetra. Midika izany fa mety tsy hahazo hitokona intsony ireo mpiasa fa hoterena hiasa ka izay be mokon-doha dia hampiharana ny lalàna avy hatrany. Handamin-dresaka ve izany sa vao miha hanakorontana ? Milaza ny tsy hanaiky lembenana sy tsy handefitra ihany koa amin’ireo mitady hanakorontana na manohintohina ny demokrasia ny filoha Rajaonarimampianina. Efa lasa ny rahona, hoy izy. Any Antsiranana indray amin’ity anio ity ny filoha sy ny delegasiona tarihany hanokatra amin’ny fomba ofisialy ny fanombohan’ny tetikasa PIC 2 (Pôle intégré de croissance).
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.