Politique

OHT Mila fitoniana mialoha, mandritra ary aorian`ny fifidianana


  • Talata 15 Mey 2018

Taorian`ny fangatahan`ny CENI Madagascar tamin`ireo antoko politika nanotrona ny fihaonana tetsy amin’ny Hotel Le Pavè ny zoma lasa teo ny hamoahana ny lalàm-pifidianana hatramin`ny 31 mey ho avy izao raha tiana ny hisian`ny fifidianana amin`ity taona ity dia nihaona omaly teo amin’ny Le Pavé Antaninarenina ireo antoko poIitika miisa 92.

Tanjona tamin`ny fihaonana ny fametrahana fitoniana mialoha, mandritra ary aorian`ny fifidianana filoham-pirenena, hoy ingahy Emile Ratefinanahary sy Hery Raharisaina. Ity fihaonana ity dia natao teo ambany fandrindran’ny Olona Hasin’ny Tany (OHT) ary fivoriana izay fiandohany ka hitohy mba hahitany tsoa-kevitra alohan’ny 31 mey. Marihana fa ny taona 2014 no najoro ny fikambanana OHT ary manana solontena avokoa ny faritra 22. Ny fitiavan-tanindrazana no mampivondrona ireo mpikambana ary hanova ny fomba fanaovana politika eto amintsika. Mandinika ny fiainam-pirenena sy manolotra vahaolana ho an’ny tompon’andraikitra sy ny mpiantsehatra isan-tsokajiny ary manofana ny ho mpitondra rahampitso amin’ny soatoavina politika, hanaja ny moraly sy handray andraikitra ho an’ny tombontsoa ambonin’ny firenena no fototry ny asan’ny fikambanana. Ho an`ny OHT dia ny fifidianana no tokony hatao haingana mba hialana amin`izao olana izao. Ilaina kosa ny mpanao politika voavolavola amin`ny fotokevitra handray andraikitra hanangana ny firenena.


Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT