Politique

o Behoririka Avelao hiresaka malalaka amin’ny vahoaka i Marc Ravalomanana


  • Alakamisy 29 Janoary 2015

saorana ny fanjakana nanokana ny andro androany ho fisaonana noho ny rivodoza nahavanon-doza, hoy Rtoa Zo mpitarika ny reny diamondra etsy amin’ny Magro Behoririka omaly. Isaorana koa ny PM nampihatra ny miralenta. Mananantena ny maha olon’ny sosialy ny ministry ny

Magr

I mponina. Miondrika am-panajana isika satria mpiray ra amin’ny traboina. Aza sodoka amin’ny be palitao ianao prezida Ravalomanana fa manana ny ambarany koa ny vahoaka. Efa betsaka ny rindra fampihavanana ka aleo malalaka amin’izay i prezidà Ravalomanana hitafa amin’ny vahoaka ary tokony hatao haingana ny kongresy hanamboarana ny anatin’ny antoko sy ny ankolafy. Ravalomanana mivoaka sy miseho dia vita ny propagandy. Fitsarana ny governemanta ny 17 jolay fifidianana, hoy Ignace Moramanga. Raha tsy misy ny fiovana dia hihitatra any amin’ny faritra ny fampihavanana ka manentana ny fitondrana hamela malalaka an’i Ravalomanana fa te hiresaka aminy ny vahoaka ary miandry ny fisokafan’ny haino amanjery ary mpanao gazety malaza koa ny ministra ankehitriny fa ny mahagaga dia misy ny manao fanandramana ho an’ny haino amanjery vaovao nefa ny efa teo tsy misokatra. Vitan’ny adidy rehefa miverina mitondra i Marc Ravalomanana, hoy i Zafilahy Stanislas. Rangitina isika hoe roa ihany ny ministra azo ary raha mbola mijanona mpomba an’i Marc Ravalomanana dia tsy hahazo toerana ary rehefa vita ny ilainy ny olona dia dakany, tsy miova mihitsy iny olona iny. Ny nampiasana ny ankolafy dia hanamora ny dinika na teto toerana na tany ivelany dia rehefa vita ny fifidianana dia lefy ny ankolafy ary handamina no atao fa tsy handrava mba hafahan’ny rehetra hiditra ao. Fifidianana no tetika tsara indrindra hanilihana ny mpifanandrina amin’ny tena.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT