Politique

Ny Rado Rafalimanana “Tena mila mifamela ny samy Malagasy”


  • Talata 11 Desambra 2018

Niteraka resabe teto amin`ny firenena ny adihevitra nisy tamin`i Marc Ravalomanana, filoham-pirenena teo aloha, sy i Andry Rajoelina, filohan`ny tetezamita teo aloha.

 

 Naneho ny heviny mahakasika izany i Ny Rado Rafalimanana, izay kandidà nirotsaka hofidiana tamin`ny fihodinana voalohany teo. Zavatra iray no tena tsikariny satria toa tao anatin`ny fo feno fankahalana ny kandidà Andry Rajoelina kanefa ninoana fa io no famaranana ny adin`izy mianaka tamin`ny 2009. Raha mbola izany no zava-misy dia ho latsa-paka ny fankahalana. Nomarihany kosa fa nipetraka amin`ny maha raiamandreny i Marc Ravalomanana ary tsy nanaraka ny teny somary masiaka nataon`i Andry Rajoelina. Notsipihany fa aorian`ity fihodinana faharoa ity dia tokony hoeken`ny rehetra  ny valim-pifidianana mivoaka eo ka aok`izay ny krizy. Manohana an`i Marc Ravalomannana amin`ny alalan`ny vatoeka sy ny MAP 2 i Ny Rado Rafalimanana ka misintona ny sain`ny rehetra mba hanao ny “vote utile”. Nohamafisiny fa tsy mila mijery ny zavatra taloha ka mila mifanampy sy mifanaja ary mijery izay zavatra mety hanahirana aorian`ny fifidianana raha sanatria miverina ny krizy. Raha nandritra ny adihevitra teo amin`ny haino aman-jerim-panjakana dia hita fa mbola misy ny fankahalana. Ny zavatra mitranga dia tsy eo anivon`izy mianaka ihany fa hatramin`ny mpomban`ny tsirairay ka ahiana hifamono eto. Miantso ireo kandidà roa tonta ny tenany mba hanatsahatra ny fihantsiana ary mbola fotoana hanitsiana ny marina izao. Mila manazava ny programan`asa ireo kandidà fa tsy entina amin`ny fihantsiana. Atsaharo ny fanaovana politika maloto manaova politika madio. Rehefa lany ianao tsara, raha tsy lany makà aina, hoy hatrany ny fanazavana.

 

Marigny A. sy Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT