Politique

Ny Rado Rafalimanana Hampandany an’i Dada ihany koa


  • Talata 04 Desambra 2018

Hanohana tsy misy fepetra ny kandida laharana faha-25 Marc Ravalomanana ny kandida Ny Rado Rafalimanana laharana faha-11 sy ny Fikambanana Ny Fanahy No Maha-Olona tarihiny, araka ny fanambarana goavana natao tetsy amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina omaly.

 

 

 Nanotrona izany ny kandida Marc Ravalomanana. Efa hatry ny ela izahay mianaka no nifankalala, ary tao anatin’ny fananganana ireny MAP ireny dia niara-niasa taminy aho, hoy Ny Rado Rafalimanana. 22  taona aho, hoy izy, dia efa mpandraharaha ary anisan’ny fitaratro i Marc Ravalomanana tamin’ny fandraharahana teto Madagasikara. Tao anatin’izany, ny zavatra tena itiavako azy io, dia izy mahitsihitsy fiteny izay ary rehefa tsy mety  amin’ny eritreriny dia hitsiany. Aza mijery ny taonany isika, ary aza mijery ny lesoka tany aoriana tany fa izay no maha fanahy olona antsika, mila mahitsy, ary mila antsika tanora hiaraka hanarina an’i Madagasikara hiaraka aminy, hoy ny antson’i Ny Rado Rafalimanana. Samy malahelo izahay ny amin’ity firenena ity, ary tsy vitan’ny olon-tokana ny fanarenana an’i Madagasikara. Andao isika hiara-kanarina an’i Madagasikara amina foto-pisainana vaovao miainga amin’ny haitarika na “leadership”, hoy izy. Notsiahiviny fa izy dia anisan’ny nigoka ny finiavan’i Marc Ravalomanana hampiroborobo io haitarika io satria andiany faharoa tamin’ny fampianarana ambony NLIM (National Leadership Institute of Madagascar) teny Iavoloha ny tenany. Foto-pisainana tamin’izany dia ny hoe: tokony hanana izany “leadership” izany avokoa ny mpitondra eto Madagasikara, izay tsiahivina fa nofanina teny Iavoloha ny ben’ny tanàna sy sefom-pokontany tamin’izany. Faly, tena faly mahita anareo tanora,… ka dia misaotra an’Andriamanitra satria faly tena faly aho fa manana fitokisana amiko ianareo ka hanohana sy hampandany ahy ho filohan’ity firenentsika ity, ka dia misaotra betsaka, hoy kosa i Marc Ravalomanana. Hanao izay azoko atao aho ary minoa ianareo ahy, fa manana ny traikefa aho ary manana paikady tena efa voarafitra tsara hitondrantsika ity tany sy fanjakana ity hampiasa ny hafainganam-pandeha sy ny fahakingako ka dia misaotra betsaka, hoy izy.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT