Politique

Ny Rado Rafalimanana Fanandevozana amin’ny endriny vaovao ny “call center”


  • Zoma 17 Aogositra 2018

Nasiaka ny fanambaran’i Ny Rado Rafalimanana nandritra ny hetsika fandraisana mpiasa tetsy amin’ny Hotely Carlton omaly alakamisy 16 aogositra.

 

Fanandevozana amin’ny endriny vaovao ny “call center “ataon’ny vahiny eto Madagasikara, hoy ity mpandraharaha ity. Tsara ny ezaka amin’ny famoronan’asan’ny tanora saingy tsy tokony ho mpiasan’olona eto an-taniny eto foana ny Malagasy. Tahaka ny any Dubai dia tokony hisy sehatra sy tetikasa manokana ho an’ny ankizy sy ny tanora mianatra ary ny fanjakana mihitsy no mamatsy vola ny amin’izany, hoy Ny Rado Rafalimanana. Etsy an-daniny dia tokony ho afaka mindram-bola ny tanora amin’ny taha aotra (taux zéro) ahafahana manangana ny orinasany ka hanao fandraharahana sy hamoron’asa ho an’ny tenany. Nanambara ihany koa izy fa tsy tokony hanangana orinasa eto Madagasikara ny vahiny fa tokony ho ny tanora Malagasy no ampiana ara-bola sy hofanina ny amin’izany.  Nilaza ihany koa ity mpandraharaha ity fa hametraka sy hitondra famatsiam-bola tsy ampandalovina amin’ny fanjakana fa ho amin’izay tanora manana tetikasa. Olana, hoy izy ny tsy fanampian’ny fanjakana sy ny tsy fanomezana sehatra ny tanora Malagasy eto Madagasikara kanefa ireo no hoavin’ny firenena

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT