Politique

Ny Rado Rafalimanana « Aoka isika hanaja hatrany ny fihavanana »


  • Alakamisy 10 Janoary 2019

Anisan’ireo nirary soa ny Filoham-pirenena vaovao ny kandidà Ny Rado Rafalimanana.

 

 

 

 Amin'ny maha mpandala ny fanajàna ny Fiandrianam-pirenena azy, nilaza izy fa ny didy nivoaka dia tsy azo ivalozana na dia nitaky ny fahamarinana sy ny ady amin'ny kolikoly ary ny halatra isan-karazany aza. Izay no demokrasia misy eto Madagasikara aloha, koa dia hatrehina araka izay ny fanarenana ity tanindrazana iombonana ity, hoy izy. Aoka isika hitandrina hatrany ny fihavanana, ary ny fomba fijery no mety tsy mitovy fa ny samy Malagasy kosa mila manaja ny Fihavanana. Tao anatin'ireny fampielezan-kevitra ireny dia maro ny teny hentitra, masiaka, mahitsy ary maro ireo mpomba ny mpifanandrina no tohana sy tezitra ary nalahelo. Hidintsika ny fonosan'ny fampielezan-kevitra ary hitodika amin'ny fanarenana ny tanindrazana isika ka hiezaka hatrany hampijoro ny firenena vanona feno fahamarinana mba holovain'ny taranaka isika Malagasy, hoy ihany Ny Rado Rafalimanana. Nirary soa ny filoham-pirenena Andry_Nirina_Rajoelina, noho ny fahalaniany hisalotra ny andraikitry ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, ary mirary soa eo amin’ny fiantsorohana ny adidy masina ho an’ny tanindrazana. Mila maka lesona tamin’ny omaly, hanatsarana ny anio ary hampandrosoana ny ampitso, hoy Ny Rado Rafalimanana teo am-pamaranana.

 

Marigny A. 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT