Politique

Ny Kung-Fu Wisa Malagasy Tokony hanao fiaiken-keloka ireo mpitondra nifandimby


  • Alarobia 26 Novambra 2014

Mpikatroka Mpanabe (Coordonnateurs Nationaux) nanodidina ny 500 manerana ny Nosy no tonga niatrika ny fihaonamben'ny Kung Fu Wisa malagasy tetsy amin'ny Lapan'ny tanora tetsy Andrefan'Ambohijanahary ny sabotsy 22 sy alahady 23 novambara lasa teo izay notarihin’i Maitre Avoko Rakotoarijaona, Filoha Nasionaly Kung Fu Wisa ary teo ambany fiahian’ny Filoham-boninahitra Sylvain Rabetsaroana ary natrehan'ny solontenan’ny Minisi-panjakana Misahana ny Fanajariana ny Tany sy ny Fotodrafitrasa ary ny Fampitaovana. Ankoatra ny fampiofanana ara-teknika an'ireo "Grands Maitres" sy "Maitres"

samihafa am-perinasa dia  lohahevitra maromaro no noresahina nandritra ireo roa andro ireo, tahaka ny fanomanana ny fankalazana ny faha-35 taonan'ny Kung Fu Malagasy ary ny jeritodika ny lasa sy fibanjinana ny ho avy. Teo koa ny fandinihana ny fiainam-pirenena satria sehatra fitaizana sy fanabeazana olom-pirenena ihany koa ny Kung Fu amin'ny ankapobeny. Anisan'ny voaresaka tao koa ny amin'ny Fampihavanam-pirenena. Tonga mantsy izao, hoy ireo mpizaika ny fotoana tokony hiresahana ny raharaha Kung Fu nitranga tamin’ny taona
1985 izay namoizana aina maro, anisan’izany ny Grand Maitre Pierre Be, sy nanagadrana mpikatroka maro. Maniry izy ireo ny mba ivoahan’ny marina manodidina iny raharaha iny, sy ny hahafantarana izay tena tompon’andraikitra tamin’izany. Nohamafisin’izy ireo ihany koa fa tokony hodinihina akaiky, ao anatin’izao Fampihavanam-pirenena izao, ny resaka kolikoly izay olana lehibe indrindra mampangirifiry ny vahoaka na ny kolikoly madinika izany na ny kolikoly avo lenta. Fotoana ihany koa izao mba tokony hanaovan’ireo mpitondra nifanesy fiaiken-keloka sy fifonana eo anatrehan’ny vahoaka izay nibaby izany. Nanamafy ny Kung Fu fa hijoro mandrakariva amin’ny fitiavan-tanindrazana, vonona hiroso hatrany amin’ny fanabeazana sy fitaizana ny mpiarabelona ary hifanome tanana amin’ny fampivoarana sy fampandrosoana ny firenena.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT