Politique

Ny Hasina Andriamanjato Nametra-pialana, hanao ampamoaka ?


  • Zoma 08 Mey 2015

Feno ny kapoaka ! Nametra-pialana omaly tsy ho filohan’ny delegasiona manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra i Ny Hasina Andriamanjato. Navelany eo ny renivohitr’i Madagasikara, rehefa nankinin’ny fitondrana HVM (Hery vaovao an’i Madagasikara) taminy nandritra ny 14 volana, nanomboka tamin’ny martsa 2014.

 


Tsy ho kandida

Nosafidiany ny volana mey, mampafana ny toe-draharaha politika eto Madagasikara hialana ? Sa efa ho rava ny fanjakana ka tsy te hiaraka ho dobo ao izy ka naleony ny azy no tonga aloha ?  Raha ny filazan’ireo mpiara-miasa akaiky aminy dia ny mba hahafahany maneho hevitra malalaka mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana Ben’ny tanàna no antony. “Efa nifampiresaka izy sy ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina, ary nanaiky izany ity farany”, hoy Razaiarinosy Clara, talen’ny fifandraisana eo anivon’ny tanànan’Antananarivo. Loharanom-baovao hafa indray no miteny fa “Izay no mety ho an' ny Firenena”. Hirotsaka hofidiana Ben’ny tanànan’Antananarivo avy hatrany no nalehan’ny sain’ny maro ho ao ambadik’ity fametraham-pialana tampoky ny PDS Ny Hasina Andriamanjato ity. Fandavana marindrano anefa no setriny. “Tsy ho kandida izy !”.

Tsy nahavita azy sa tsy navela niasa ?

Mazava izany ny resaka eto. Mitamberina avokoa ny fanamby sy ireo vinan’asa niisa sivy nentiny handaminana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra ao anatin’ny 6 na 7 volana taorian’ny nanendrena azy. Nanao dingan-dava izy teo am-piandohana, niantso ny fanomezan-tanan’ireo mpandrahara hanalana ny fako sy hanamboarana lalana. Tsy niherina akory anefa ny taona nandraisany ny tanàna dia nandeha ny tsindry ataon’ny fanjakana sy ny olona avy ao anatiny  izay tonga hatrany amin’ny fitakiana nataon’ny andiana mpiasa amin’ny fametraham-pialan’ny PDS mihitsy. Niverina nivangongo ny fako, potika ny lalana, mikorontana ny fifamoivoizana, nirongatra ny tsy fandriampahalemana, tsy voafehy ny mpivarotra amoron-dalana … Tetsy an-kilany dia nahenan’ny Fanjakana tsikelikely ny fahefany. Nesorina taminy, ary noraisin’ny minisiteram-panjakana misahana ny fanatanterahana ny programan’ny filoha ny fanamboaran-dalana. Nidiran’ny minisiteran’ny Asa vaventy ny tonelina… Lany andro tamin’ny fandaminana ny raharahan-tokantranon’ny Kaominina sisa i Ny Hasina Andriamanjato, hany ka leo sady ela nieretana ka dia nangoron’entana lasa. Inona no ho tohiny ? Hanao ampamoaka izany fa tafavoaka ny vala ? Ho hita eo ny tohiny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT