Politique

Ntsay Christian Tsy marin-toerana


  • Alatsinainy 01 Oktobra 2018

Loharanom-baovao iray no nahenoana fa tsy ho ela ary mety amin’ity herinandro ity ihany dia hisolo fanindiminy indray ny filohan’ny governemanta tato anatin’izao repoblika faha-4 izao.

 

 

Herinandro sisa dia ho tonga ny fotoam-pampielezan-kevitra ary tsikaritra rahateo fa volana maro izay dia tazana ho tsy mifandray tadin-dokanga ny ekipan-dRajoelina sy ireo sisa tafajanon’ny fitondrana Rajaonarimampianina eo ambanin’ny fitantanan’ny filoham-panjakana, Rivo Rakotovao. Mahoraka amin’ireo fanehoan-kevitra fa toy ny efa an’ny ekipan’ny volomboasary ny HCC sy ny CENI ary indrindra ny praiminisitra Ntsay Christian. Ity praiminisitra ity ihany koa no malaza ho mitondra ny baolina eto amin’ny firenena fa voafetra noho ny azy kosa ny fahefan’ny filoham-panjakana ankehitriny. Ho diso kajy ihany anefa Rajoelina sy ny ekipany raha hiditra amin’izay lalana mbola hanendry praiminisitra fanindiminy izay tokoa ny filoham-panjakana, Rivo Rakotovao ary azo lazaina fa tsy marin-toerana hatreto ny praiminisitra, Christian Ntsay.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT