Politique

Ntsay Christian “Tsy maintsy hotanterahina ny fifidianana”


  • Zoma 07 Septambra 2018

Nampiantso fivoriana niarahana tamin’ny OMC manerana ny nosy, ny praiminisitra Ntsay Christian, nijerena ny zava-misy ankehitriny mikasika ny fandriampahalemana.

 

Ao anatin’ny fametrahana ny Filankevitra Nasionaly ho an’ny Fandriampahalemana Anatiny (Conseil National de la Sécurité Intérieure (CNSI) isika amin’izao, ary nisy ny fijerena ireo fepetra horaisina manoloana ny fitandroana ny filaminana izay mifanaraka amin’ny lalàna misy na any ambanivohitra na eto an-drenivohitra. Noresahina ihany koa ny filaminana mandritra ny fotoam-pifidianana ka nanamafisan’ny  praiminisitra fa “tsy maintsy hotanterahina ny fifidianana”. Tonga nanatrika io fivoriana io ny minisitry ny fiarovam-pirenena, ny minisitry ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, ny minisitry ny filaminam-bahoaka, ny minisitra voatendry hisolotena ny minisitry ny vola sy ny tetibola, ny solontenan’ny minisitry ny fitsarana, ny solontenan’ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny lehiben’ny Etamazoro jeneralin’ny tafika Malagasy, ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena sy ny tale jeneralin’ny polisim-pirenena.

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT