Voatendry ho praiminisitra hitantana ny governemanta amin’izao fanjakana Rajoelina, filoha faharoan’ny Repobilika faha-4 izao ny praiminisitra teo aloha Ntsay Christian, taorian’ny filankevitry ny minisitra manokana natao teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha omaly takariva.
Ny didim-panjakana 2019/16 no nanendren’ny filoha azy ho eo amin’izany toerana izany ary nohamafisina fa niainga tamin’ny tolo-kevitry ny solombavambahoaka maro an’isa eny amin’ny antenimieram-pirenena ho fanajana ny andininy faha-54 amin’ny lalàmpanorenana ny fanendrena. Efa praiminisitry ny marimaritra iraisana taorian’ny faharavan’ny governemanta Mahafaly Solonandrasana Olivier tamin’ny fotoan’andron’ny filoha Hery Rajaonarimampianina izy, izay tsiahivina fa tratry ny didy fandravana rehefa nisy ny tolon’ny fanovana nitaky ny fialan’ny filoha ny volana aprily 2018. Ny 4 jona 2018 no nandray ny toerana maha praiminisitra azy i Ntsay Christian, ary iraka lehibe nampanaovina azy ny fifidianana madio sy mangarahara. Niteraka adihevitra ny fomba fiasany tamin’izany fotoana ka nivoahan’ny ahiahy samihafa fa nitanila tamin’ny kandida Rajoelina, izay nanolotra azy ho praiminisitra izy. Ny 12 janoary 2019 teo, dia efa namoaka fanadihadiana sy famakafakana ny teto amin’ny Tia Tanindrazana fa tsara toerana ho tafajanona Praiminisitra izy, izay heverina ho maso apetraky ny sehatra iraisam-pirenena ao anaty fanjakana, ary hampiasaina ihany koa amin’ny fifidianana solombavambahoaka; maro no mihevitra fa napetraka mba hanara-maso ny filoha vaovao Andry Rajoelina ihany koa ity praiminisitra ity satria na nekena aza ny maha filoha lanim-bahoaka azy dia mbola tsy misinda ny ahiahin’ny sehatra iraisam-pirenena amin’i Andry Rajoelina, ilay mpanongam-panjakana tamin’ny 2009. Raha ny mombamomba ity praiminisitra ity dia teraka ny 27 martsa 1961 tao Antsiranana. Nandalim-pahaizana momba ny toekarena teny amin’ny oniversiten’Antananarivo ary nanohy fianarana tany Frantsa. Nandrita io filankevitry ny minisitra manokana io ihany koa no nanendrena an’i Valery Ramonjavelo ho sekretera jeneralin’ny Fiadidian’ny Repoblika, manana ny mari-pahaizana “Doctorat en administration” tany amin’ny Oniversiten’i Montréal Canada, izay efa nitana ny toerana Tompon’andraikitra maha-olona (DRH) teo anivon’ny orinasa Star. Sekretera Jeneralin’ny lefitry ny fiadidian’ny Repoblika kosa i Dina Andriamaholy izay tale kabinetran’ny praiminisitra Ntsay Christian no nomena io toerana io. Notendrena omaly ihany koa ny tale kabinetra sivily eo anivon’ny fiadidian’ny Repoblika, ka Rtoa Stéphanie Delmotte no hiandraikitra izany, izay manana ny mari-pahaizana MBA (Master Business of Administration) tao Montréal Canada ihany koa. Somary teknisianina kokoa ny fahitana ireo tompon’andraikitra vao notendrena ireo. Andrasana ny fitsanganan’ny governemanta Ntsay Christian, izay maro ny adidy miandry azy eto amin’ny firenena. Anisan’ny goavana andrasana ny fanolorana ny politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) hoenti-manatanteraka ireo vina sy fampandrosoana heverin’ny filoha hapetraka, izay hatolotra hodinihin’ny antenimieram-pirenena ihany koa. Maro ireo olana ara-tsosialy tsy afa-miandry ela!
SARY BD Rivo
Toky R sy Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.