Politique

Ntsay Christian Nifindran’ny viriosy koa ?


  • Talata 04 Septambra 2018

Niteraka adihevitra goavana ny nahatongavan’ny praiminisitra Ntsay Christian teo amin’ny toerany taorian’ny didin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana nivoaka ny 25 mey 2018, nandidy ny handravana ny governemanta.

 

 

 Teknisianina no nahalalan’ny maro an’i Ntsay Christian, saingy nahazo volontany amin’ny resaka politika izy, telo volana taorian’ny  nahatongavany ao Mahazoarivo. Hiantsoroka ny fifidianana madio sy tsy mitanila no  iraka lehibe nampanaovina azy, saingy toa tsy mahatafavoaka baolina raha jerena amin’ny fanehoan-kevitra politika. Lasa manana ny lohany ary mazava rahateo ny vovonana nanolotra azy, dia ny MAPAR tarihin-dRajoelina, fa eo ihany koa ny sehatra iraisam-pirenena. Izy no hanana ny fahefana lehibe indrindra aorian’ny fialan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina ny 7 septambra izao. Ahoana ny resaka tsy fitanilan’ny fanjakana amin’ny alalan’ireo lehiben’ny distrika eo ambany fiahiany sy ny minisiteran’ny atitany ? Ny lehiben’ny fokontany dia notendren’ny lehiben’ny distrika ? Nifindran’ny « viriosy » politika ve ka tsy te homena baiko havia sy havanana ? Etsy an-kilany, toy izay tonga tao Mahazoarivo nanomboka tany amin’ny fitondrana tetezamita, dia te hitondra tanteraka ny baolina na te ho filoha, ka tratran’ny “viriosy” ihany koa ve i Ntsay Christian amin’izao fotoana ka manomboka miketrika ? Tsaroana ry Monja Roindefo, Jeneraly Camille Vital, izay praiminisitry ny tetezamita fa nirotsaka kandida filoha tamin’ny taona 2013. Io ihany koa ny praiminisitra farany tamin’ny tetezamita fa kandida amin’ity fifidianana 2018 ity. Ny praiminisitra roa tao anatin’ny fanjakana HVM, dia ny Jeneraly Jean Ravelonarivo sy Mahafaly Solonandrasana Olivier fa kandida filoha mifaninana amin’ny olona nanendry azy tamin’izany fotoana. Efa manomboka manana ny heviny manokana ny praiminisitra Ntsay Christian. Ho  kandida koa ve amin’ny maha olon’ny iraisam-pirenena raha toa ka tsy raikitra eo io fifidianana io ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT