Politique

Ntsay Christian Mbola tsara toerana ho praiminisitra…


  • Sabotsy 12 Janoary 2019

Afaka herinandro katroka anio, izany hoe ny sabotsy 19 janoary no hanatanterahana ny lanonam-pitsarana lehibe ho fianianan’ny filoha vaovao Andry Nirina Rajoelina, ary ny harivan’io no hotanterahina ny famindram-pahefana eo aminy sy ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina.

 

 

 Iray andro mialoha io, izany hoe ny zoma 18 janoary no fantatra fa hametra-pialana ny governemanta Ntsay Christian, izay zavatra efa fanao ihany moa amin’ny fahazoana filoha vaovao tahaka izao. Avy eo indray vao hanendry izay ho praiminisitra hiaraka hiasa aminy ilay filoha vaovao. Raha ny feo re dia mety ho ny alahady 20 janoary no hotendrena ny praiminisitra . Hatreto aloha na da maro aza ny tombantombana sy ny siosion-dresaka etsy sy eroa, dia Atoa Ntsay Christian no mbola ho tompon-toerana eny Mahazoarivo. Hanohy ny asa izy sy izay minisitra hiaraka aminy eo hatramin’ny fanatanterahana ny fifidianana solombavambahoaka, izay tsy mbola fantatra mazava ny daty hanaovana azy hatreto. Ny CENI dia efa nilaza fa tsy ho tratra ny amin’ny volana martsa 2019. Raha ny siosion-dresaka ihany koa dia governemantan’ny fisokafana no hijoro voalohany eo, izany hoe tsy ho 100% Mapar fa hisy olona avy amina antoko na vondrona politika hafa, eny fa na dia ireo izay mety tsy mitovy hevitra tamin’ny Mapar aza. Tsy hiandry ela, raha ny loharanom-baovao iray fa dia ny talata 22 janoary no hotendrena ireo mpikambana ao amin’ny governemanta ary hivory voalohany ny zoma 25 janoary. Ireo no tetiandro nivoaka tamin’ny fisokiram-baovao natao. Manana ny fomba fiasany anefa ny filoha vaovao sy ny ekipany ka tsy hay izay mety fiovana tampoka. Efa nanomboka ny alakamisy lasa teo ihany koa ny fihaonana, fifampiresahana, fifandresen-dahatra ny amin’ireo olona hiditra ao anatin’ny governemanta sy ireo izay hotendrena mpiasam-panjakana ambony indray atsy ho atsy. Miandry koa ny mpanara-baovao na hiditra ao anaty governemanta araka ny siosion-dresaka nandeha tato anatin’ny andro vitsy ny olona avy amin’ny ankolafy Ravalomanana na hisafidy ny ho mpitazana fotsiny aloha fa ny fifidianana solombavambahoaka manaraka no sehatra hiverenana eo amin’ny politika indray.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT