Ny sabotsy takariva dia nihaona manokana i Andry Rajoelina sy ny Praiminisitra Ntsay Christian, saingy tsy nisy nipika ny resaka. Mandeha ny fanangonan-tsonia amin’izao eny amin’ny antenimieram-pirenena amin’ny mbola hamerenana an’Atoa Ntsay Christian ho praiminisitra.
Nafana ny adihevitr’ireo solombavambahoaka, eny fa na ny avy amin’ny vondrona politika misy azy aza, ny amin’ny tsy fankasitrahana. Re fa misy no tsy mankasitraka ny mbola hitazonana azy. Raha vantanina ny resaka eny anelanelany eny, dia misy ny efa mba nihinana teo, hono, ity Praiminisitra ity ka tsy tokony haverina eo amin’ny toerany intsony. Na ny nametrahana azy teo tamin’ny volana mey aza rehefa rava noho ny tolon’ny fanovana ny governemanta dia adihevitra sy noterena nekena. Nisy ireo solombavambahoaka MAPAR nanohitra an’izany mafy, avy eo niara-nanaiky rehefa nandeha ny fifandresen-dahatra tany ambadika fa izy ireo no natolotra. Tsy hihoatra ny 25 ny mpikamban’ny governemanta ao anatin’ny fitondrana Rajoelina, raha ny resaka mandeha amin’izao. Mbola baraingo tanteraka ny mety ho endriky ny governemanta hitsangana eo. Misy resaka fifanoheran-kevitra dia ny ho fisokafana amin’ny hery politika hafa mba hisian’ny fitoniana kokoa. Fifidianana anefa no natao ka malalaka amin’ny fanapahan-kevitra horaisiny i Andry Rajoelina. Misy amin’ireo mpiara-dia aminy kosa no miandrandra valim-babena mafy. Eo anatrehan’ny resaka mivoaka fa mety hiendrika governemantan’ny firaisam-pirenena dia maro no toa manangam-bovona fa izy ireo no namono ny voay ka ny hafa no hiravaka ny vanginy. Mitohy ny fanaratsiana samihafa hatao ny hafa tombanana atahorana hiditra ao anaty fanjakana. Manomboka mivoaka koa ny feo fa misy fifanilihana ao anatiny ao ary misy ny fiadiana ho samy lohany. Maro no miandry ny valim-babena. Re mantsy fa tsy vitsy no nampiasa volabe tamin’ny fampielezan-kevitra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.